Sal 111 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 780

« Ary raha nandre ny vahoaka nandalo izy dia nanontany hoe: Inona izany?» (and. 36). Jamba nipetraka nangataka no nanontany izany. Namaly azy ny vahoaka hoe: Jesoa avy any Nazareta no mandalo. Vao mainka niantso mafy izy. Jamba ralehilahy, sembana ara-pahitana, fa ny sofiny no nampiasainy: Nandre ny vahoaka nandalo izy; ny vavany sy ny lelany no nampiasainy nentiny nanontany sy niantsoantso an’i Jesoa. Sembana ara-pahitana izy fa ny vavany sy ny lelany ary ny sofiny no nampiasainy dia nahafantatra ny fandalovan’i Jesoa izy, sady tafahaona taminy ka nandray famonjena. Voahetsiky ny finoana izy… lanao koa ampiasao ny fomba rehetra ahafantaranao fa tonga eo amin’ny toerana misy anao i Jesoa. Araraoty ny fotoana fa tranga fanararaotra ny famonjena! Ataovy hery manetsika anao ny finoana hihaonana amin’i Jesoa, mba handraisanao famonjena.

Niantsoantso tsy laitra nampanginina ity lehilahy jamba ity: « Ary izay teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka nlantsoantso izy » (and.39). Rehefa tsy laitra nampanginina izy, dia i Jesoa no nijanona: «Ary i Jesoa nijanona » (and.40). Matoa nijanona i Jesoa, dia nataony laharam-pahamehana ny antsoantson’ilay jamba. Aza adinoina fa mandalo i Jesoa araka ny voalaza, saingy rehefa voahetsiky ny finoana mitady Azy isika, mba hila vonjy dia mijanona Izy. Ataony laharam-pahamehana ny famonjena antsika. Mandehana åry, ka manaova ny toy izany koa.

Moa ve ilaina tokoa ny mihetsika raha mila famonjena?