Maha izy azy ny Sampana Dorkasy

Ny Sampana Dorkasy dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Filadelfia, natao hifampitaizana sy hibeazana mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary ahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.

Amin’ny maha Sampana velona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny Dorkasy sady manaja ny Fitsipika anatin’ny Fiangonana FJKM Filadelfia  ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .

Zava-kendreny

Ny Sampana Dorkasy dia mikendry ny hitory an’i Jesoa Kristy amin’ny vehivavy rehetra sy ny ankohonana manontolo, mba hijoro eo anivon’ny ankohonana sy ny firenena ary ny Fiangonana,
« « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo..., mba tsy hiketraka ianareo » » (Heb 6:10a/12a)
Ny Sampana Dorkasy koa dia sehatra ahafahana manatanteraka ny anjara fanompoana araka ny anjara fahasoavana nomen’Andriamanitra ny tsirairay :

  • Mitory sy manambara sy Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Teny sy ny Asa …
  • Mitaiza sy manabe sy ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra : Tena, Saina, Fanahy

Biraon’ny Dorkasy

Filoha: RAVELOMANANTSOA M.Laurence.

Mpitantsoratra: RAVAOELIARISOA Lucie

Mpitahiry vola: RANDRIANASOLO Michelle L.

Mpanolotsaina: RAKOTOMANGA L.

Birao

Vehivavy Kristianina

Fandaharam-potoana samihafa

Isam-bolana :

Fanaovana asa sosialy,

Fifampianarana (ara-panahy) / Fifampizarana fahaizamanao (taozavatra , nahandro).

Tetiandro Dorkasy

Ireto ny tetiandron'ny Dorkasy mandritra ity taona 20xx ity.

Fitsangatsangana Dorkasy: Sabotsy 29 septambra

Ny Aprily no iraivolan'ny Dorkasy:
Hisy hetsika fanaovana sakafo isan'Alahady.
Hanasana ny fandraisan'anjaran'ny Fiangonana

Fety sy fankalazana samihafa

Fotoan-dehibe Fiangonana : Sabotsy 23 jona

Fotoana Dorkasy Foibe FJKM : Alahady 9 aprily