Maha izy azy ny Sampana Lehilahy Kristiana

Ny Sampana Lehilahy Kristiana, afohezina hoe S.L.K, dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Filadelfia, natao hifampitaizana sy hibeazana mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary ahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.

Amin’ny maha Sampana velona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny S.L.K. sady manaja ny Fitsipika anatin’ny Fiangonana FJKM Filadelfia ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .

Zava-kendreny

Ny Sampana Lehilahy Kristiana dia mikendry ny hitory an’i Jesoa Kristy amin’ny lehilahy rehetra, mba hijoro eo anivon’ny ankohonana sy ny firenena ary ny Fiangonana,
« Ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy » (Efesiana 4:13)
Ny Sampana Lehilahy Kristiana koa dia sehatra ahafahana manatanteraka ny anjara fanompoana araka ny anjara fahasoavana nomen’Andriamanitra ny tsirairay :

  • Fitoriana teny : tafika masina, famporisihana ny mpikambana, sns …
  • Fanentanana ny tanora : fialam-boly, fanatanjahan-tena, sns …
  • Fandraharahana sy fitantanana : fitadiavam-bola maharitra ho an’ny Sampana
  • ary ny talenta maro samihafa

satria hoy ny Apostoly Paoly : Jesoa miantso anao…
« Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy » (I Korintiana 12:12)

Biraon’ny SLK

Filoha: RASOLOHARIJAONA Andria.

Filoha Mpanampy: RABENARIVO Tiana.

Mpitantsoratra: RABARY Ranaivo J.

Mpitahiry vola: RASOLO Jean D.

Mpanolotsaina: RAKOTOARIVONY H.

Birao

Lehilahy Kristianina

Fandaharam-potoana samihafa

Isam-bolana : Fifampizarana ampiarahalahiana miaraka amin'ny vady aman-janaka.

Tetiandro SLK

Ireto ny tetiandron'ny SLK mandritra ity taona ity.

Fitsangatsangana SLK: Sabotsy 29 septambra

Mey iray volan'ny SLK:
Hisy hetsika fanaovana sakafo isan'Alahady.
Hanasana ny fandraisan'anjaran'ny Fiangonana

Fety sy fankalazana samihafa

Fotoan-dehibe Fiangonana : Sabotsy 23 jona

Fotoana SLK Foibe FJKM : Alahady 8 mey