Sal 145.1-7 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753.1

Lehilahy mivelona amin’ny finoana i Abrahama, ary ny mpino dia azo antsoina hoe zanak’i Abrahama. Raha zanany isika dia andeha hivelona amin’ny finoana tahaka an’i Abrahama.

Toy ny olon-droa miresaka sy mifankazatra i Abrahama sy ny Tompo eto: Miteny sy miresaka amin’i Abrahama Andriamanitra; i Abrahama kosa mihaino sady mamaly. Nitondra azy nivoaka teo ivelan’ny tranolay Andriamanitra; i Abrahama koa nanaiky hoentiny. Tena mifankazatra sy mifankahazo amin’ Andriamanitra i Abrahama, ka nanaiky sy nankato; nanaiky izay nataon’Andriamanitra taminy. Ny olona toy izany no mahalala tsara ny toetran’ Andriamanitra ka matoky Azy amin’izay atao sy amin’izay aleha: Manaiky ny sitrapony ary manaiky hoentiny. Miezaha ho eo ambany fitarihan’ny Fanahy toy izany; fa ny toy izany no azo sokajina ho olona mivelona amin’ny finoana.

Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao », hoy ny Tompo tamin’i Abrama (and. 1b). Tapa-kevitra hamaly fitia an’i Abrahama ny Tompo. Ny valim-pitia dia zavatra omena; satria izay tia dia manome. lo no nahataitra an’i Abrahama ka nitenenany hoe: Inona no homenao ahy? Niriny fatratra, nefa tsy nananany ny taranaka handimby. Nampanantena azy ny Tompo fa homena azy izany. Vonon-kanolotra valim-pitia lehibe ho an’izay mivelona amin’ny finoana ny Tompo. I Jesoa zanany Lahitokana aza foiny! Matokia fa homeny antsika koa ny zavatra rehetra.

Inona no zava-dehibe ateraky ny finoana eo amin’ny and.6?