Salamo 108.1-5 / Hira 194.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 194.3,4
Galatiana 4, 1-7
Ny dingam-pinoana sitrahantsika ao amin’i Jesoa
Teo ambany ziogan’ny lalàna ny olona talohan’ny nahatongavan’i Kristy ka tsy nanana fahafahana. Rehefa tonga ny fotoan’andro ka nirahin’Andriamanitra i Jesoa Zanany dia Izy no nanafaka ny olona tao ambany lalàna, ary misy dingana samihafa izany famonjena sy fanafahana izany.
Manala antsika amin’ny fahazazam-pinoana
« Raha mbola zaza ny mpandova dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ny zavatra rehetra aza, fa fehezin’izay mpitondra sy mpitaiza azy izy» (andl sy 2). Omena iandraiketan’ny mpitaiza, fa tsy ny ray aman-dreniny, ny zaza teo amin’ny Jiosy sy teo amin’ny tontolo romana fahiny. Rehefa tonga ny fotoan’andro voatendrin’ny raim-pianakaviana dia esorina amin’ny mpitaiza izy mba hisitraka ny zo maha zanaka mpandova. Sary anoharana ny asan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika izany. Ny nahatongavan’i Kristy no fotoan’ andro nanafahana antsika ho afaka amin’ny lalàna izay toy ny mpitaiza, mba hisitrahantsika zo maha zanaka. Dingana voalohany sitrahantsika ao amin’i Jesoa izany.
Nananganana antsika ho zanak’Andriamanitra
Mifameno sy mifampitohy amin’ny hevitra teo ihany izany. Rehefa nanafaka antsika i Jesoa dia nirahin’ny Ray ho ao anatintsika indray ny Fanahy Masina, izay tsy hafa fa ny Fanahin’ny Zanany ihany (and.6). Ny Fanahy Masina nomena antsika mpino no mahatonga antsika hahay hiantso an’ Andriamanitra hoe: «Ray». Tonga miombon-dRay amin’i Jesoa isika, ary natsangana ho zanaka mpiara-mandova amin’i Jesoa Kristy, fa tsy mpanompo intsony (and.7).
Fanontaniana
Inona avy ny zo omena ny mpino araka ny voalaza eto ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe