Ny Fiangonana FJKM Filadelfia dia fitandremana miombona amin'ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina SPVFA 37.

Teny faneva

Mifameno amin'ny anaran'ny Fiangonana ny teny faneva.
"Tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao" Apok 3.11b

Fiangonana Filadelfia

Biraon’ny Fiangonana Filadelfia

Filoha: Ny Mpitandrina
Mpitantsoratra: RANDRIANASOLO Michelle L.
Mpitahiry vola: RASOLOHARIJAONA A.
Mpitantsoratra vola: RAVELOMANANTSOA M. Laurence
Mpanolotsaina: RAFALIMANANA F.
Mpanolotsaina: RABARY Ranaivo J

Diakonina voafidy

RANDRIANASOLO Michelle L.
RAVAOELIARISOA Lucie
RAVELOMANANTSOA M. Laurence
RATSIMBAZAFY A. N.
ANDRIANTSEHENO Patricia

RABARY Ranaivo J.
RABENARIVO Tiana
RASOLOHARIJAONA Andria P.
RAJAONA J.D.
ANDRIANAIVOSOA H. N

Diakonina

Tantaran'ny Fiangonana

Ireto ny daty nanamarika ny tantaran'ny Fiangonana.

Volana May 20vi : Nisy ny fivoriana voalohany nihaonan'ny fianakaviana vitsivitsy (7 mianadahy no mianaka) izay noraisin'ny tokantrano iray. Nandinihina ny fikasana hanorina fiangonana aty amin'ny faritra izay tsy mbola misy fiangonana Malagasy.
Taorianan'ny dinika dia nirona kokoa ho amin'ny FJKM, rehefa nandinika ireo vaovao sy dinika mialoha efa natombok'ireo namana sasany.
Nanomboka koa nitady izay toerana Fiangonana hahafahana manao sahady ny fiaraha-mivavaka. Raha ny EREF eo antoerana izay efa nahazoana vaovao dia kasaina ny hanaovana ny fiaraha-mivavaka voalohany alohan'ny "Fialan-tsasatra".

11 Jona 20vi : Fivoriana faharoa

26 Jona 20vi : Fotoam-pivavahana voalohany tao amin'ny EREF. Natao teo ambany "fiahian'ny FJKM Ziona Vaovao" noho ny antony samihafa.
Ny Mpitandrina RAKOTO Nirina filohan'ny Synodamparitany sy Mpitandrina ny FJKM-ZV no nitondra ny fotoana rehetra. Izy koa no Mpitandrina mpiahy nandritry fotoana naha "Fiaraha-mivavaka" ka nahatontosa hatramin'ny fotoana fahatongavana amin'ny Fiangonana FJKM Filadelfia.
Tonga nanotrona ny mpianakavin'ny finoana, indrindra ny avy ao amin'ny FJKM-ZV, nisy 90 izy ireo.
Nihoatra io isa ambony io ny mpianakavin'ny finoana "voaisa" teto amin'ny faritra izay heverina fa hanatevin-daharana ny "Fiangonana" hajoro.
Notohizana tamin'ny fiaraha-misakafo ny fotoana izay nanasan'ny Fiaraha-mivavaka ny rehetra.

22 Janoary 2vii : Voafidy ny diakonina 5 mirahavavy, 5 mirahalahy

14 May 2vii : Nitokanana ny Fiangonana nanasana ny mpianakavin'ny finoana sy ireo Fiangonana rahavavy (EREF eo antoerana, Fiangonana Katolika , Fiangonana ...). Nahatonga solon-tena maro ireo Fiangonana FJKM eto IDF sy eto amin'ny SPVFA.
Notohizana tamin'ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mifaly ny tolak'andro.

4 Jona 2vii : Fanokanana ireo diakonina

Septambra 2vii : Nampitain'ny Mpitandrina RAKOTO Nirina amin'ny Mpitandrina iraka ny fitondrana ny FJKM Filadelfia

Tetiandron'ny Fiangonana

Ireto ny tetiandron'ny Fiangonana mandritra ity taona ity.

Iray volan'ny sampana Dorkasy: Aprily

Iray volan'ny SLK: May

Iray volan'ny STK: Jolay

Iray volan'ny Sekoly Alahady: Desambra

Voka-dehibe : Alahady 24 Febroary

Fetin'ny taranaka : Alahady 23 Jona

Fety sy fankalazana samihafa

Paska : Alahady 22 Aprily

Andro niakarana : Alakamisy 30 May

Pentekosta : Alahady 10 Jona

Krismasy : Alarobia 25 Desambra