Sal 106.1-5 / Hira 167.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira212
Salamo 105, 37-45
Mijoroa sy minoa ny fanekena nataon’ny Tompo
« Fa mahatsiaro ny teniny masina sy Abrahama mpanompony Izy » (and.42). Milaza ny fanekena natao tamin’i Abrahama izany. Isaky ny mahatsiaro ny fanekena nataony ny Tompo dia hamonjy Izy. Minoa fa mafy orina ny fanekena nataony.
Minoa fa vonon-kisahirana amintsika Izy
Averina in-droa eto ny hoe «nitondra ny olony… Izy » (and.37 sy and 43). Mpanao ny asa ny Tompo; Izy no mitondra; isika olony kosa iharan’ny asa entina. Ny teny malagasy: « Entina », по nahazoana ny anarana hoe: Entana. Ataon’ny Tompo toy ny entana ny olony rehefa entiny. Izy no mivimbina, mitrotro sy mibaby. Tsy azo tarihina, na tantanina ny entana, fa entina ka Izy no misahirana mitondra antsika araka ny Isa 43, 3b 4. Nanao fanekena vaovao, mafy orina tao amin’i Jesoa ho antsika ny Tompo, ka raikitra adidy amintsika Izy. Minoa fa vonon-kisahirana amintsika tokoa ny Tompo.
Mijoroa ho vavolombelon’ny fitiavany
Foto-kevitra telo lehibe ao amin’ny tantaram-pamonjena ny firenena masina ireto: Tia ny vahoakany Andriamanitra; nifidy sy niantso azy Izy ary nanao fanekena taminy: fitiavana sy fifidianana ary fanekena. Toko telo mahamasa-nahandro ireo, ary antony manosika ny Tompo tsy maintsy hamonjy. Miandry valim-pitia amintsika Izy, ka fankatoavana sy fitandremana ny didiny no valim-pitia tadiaviny. «Mba hitandremany ny didiny sy hankatoavany ny lalàny » (and.45). Mijoroa ho vavolombelon’ny fitiavan’ Andriamanitra. Valio fitia ny Tompo fa hamafisin’i Jesoa izany. Hoy Izy: « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko » (Jaona 14, 15).
Fanontaniana:
Moa ve ny manefa voady no valim-pitia ho an’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe