1 Petera 1 : 1 – 9
Ho avy ny andron’ny Tompo
1- Efa nateraka ho olom-baovao ve ianao?
Fanambarana lehibe no ataon’i Petera eto: Andriamanitra dia niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindram-pony ho amin’ny fanantenana velona… ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho antsika. Jesoa dia efa niteny fa « Izay ateraky ny nofo dia nofo ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy » (Jao 3:6) ary namafisin’i Paoly izany hoe: « Moa tsy fantatrarea va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? » (1 Kor. 6:9). Ity tenantsika potika sy mpakamamy fahotana ity dia tsy handova ny lanitra koa mila ateraka indray ao amin’i Jesoa Kristy isika. Ary izany no efa ataon’Andriamanitra araka ny voalazan i Petera eto.
2- Tsy izay fahoriana anio no hamaritana ny hoavy
Ny fahafantarana fa miaina ilay fahateraham-baovao isika no miteraka toe-po vaovao satria na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza isika, raha tsy maintsy hisy izany, dia hiravoravoantsika amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra izany any am-parany. Matetika ny fahoriana manjo antsika eto an-tany no mahavery hevitra antsika ka hahatsiarovantsika ny any am parany. Tsarovy fa efa manamboatra ilay tsara lavitra ho antsika i Jesoa. Any no hivantana isika rehafa tonga haka antsika Izy. « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itarako no hitoeranareo koa. » (Jao 14:3)
Fanontaniana: Inona avy no hatsapanao fa olom-baovao handova lanitra