1 PETERA 1.1-9
Ho avy ny andron’ny Tompo
1-Efa nateraka ho olom-baovao ve ianao?
Fanambarana lehibe no ataon’i Petera eto . Andriamanitra dia niteraka antsika indray araka ny haben’ny famidrampony ho amin’ny fanantenana velona …ho amin’ny lova tsy mety simba , tsy misy loto , tsy mety levona , voatahiry any an-danitra ho antsika . Jesoa dia efa niteny fa “ izay ateraky ny nofo dia nofo , ary izay ateraky ny fanahy dia fanahy “ (Jao 3.6) ary nohamafisin’I Paoly izany hoe: « moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’ny lanitra ? “(1 Kor 6.9) . Ity tenantsika potika sy mpankamamy fahotana ity dia tsy handova ny lanitra .Koa mila ateraka indray ao amin’I Jesoa Kristy isika . Ary izany no efa ataon’Andriamanitra araka ny voalazan’I Patera eto .
2-Tsy izay fahoriana anio no hamarotana ny ho avy
Ny fahafantarana fa miaina ilay fahateraham-baovao isika no miteraka toe-po vaovao , satria na dia ampalahelovana vetivety ankehitriny amin’ny fakampanahy maro samihafa aza isika , raha tsy maintsy hisy izany , dia hiravoravoantsika amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra izany any am-parany . Matetika ny fahoriana manjo antsika ety an-tany no mahavery hevitra antsika ka tsy hahatsiarovantsika ny any am-parany . Tsarovy fa efa manamboatra ilay tsara lavitra ho antsika I Jesoa .Any no hivantana isika rehefa tonga haka antsika Izy . “Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho , dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko ka izay hitoerako no hitoeranareo koa”. (Jao 14.3)
Fanontaniana:
Inona avy no hahatsapanao fa olom-baovao handova lanitra ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM