Talata 11 jona 2019 – Gal 5 : 22 – 25
2Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina koa isika;