Ny antom-pisian’ny sampana eo amin’ny Fiangonana

Fampidirana
Sampana = karazana fikambanana kely mijoro eo anivon’ny Fiangonana, mampivondrona ireo mitovy tanjona, tombontsoa na ehy

1. Fototra ara-tsoratra Masina
- Ny sampana dia manana fiombonana akaiky amin’ Andriamanitra (vavaka sy Soratra Masina) ary tsy maintsy mamokatra ( Jaona 15: 1-8)
- Ny sampana tsirairay dia mitondra ny anjara birikiny ho an’ny Fiangonana amin’ny maha momban’ny tenan’i Kristy azy (Romana 12: 5-8)
- Ny sampana dia natao hanohana ny Fiangonana reniny rehefa nohasoaviny (Lioka 13: 6-9)

2. Tanjona mampiavaka ny sampana tsirairay

Fanamarihana
Misy karazan-tsampana antsoina hoe « Sampan’asa sy Asa »
- Asa Fitoriana ny Filazantsara (AFF) : Mampivondrona ireo kristiana manontolo hanao mpianatra ny firenena rehetra
- Sampan’Asa Fampandrosoana (SAF) : Mijoro ho sehatra famokarana tsotra izao (toerapitsaboana, fambolena/fiompiana, FIVATSI, famatsiana rano fisotro madio…)
1. Tari-dàlana ho an’ny fifanakalazon-kevitra
1- Inona no mahatonga ny sampana tsy feno isa eo amin’ny birao mpitantana ? Inona no antony tsy mahafeno ireo sampana velona eo amin’ny FJKM ? Inona no vahaolana arosonao? 2- Mety aminao ve ny fanorenana sampana vaovao eo amin’ny Fiangonana ? Inona no maika amin’izany raha ny eritreritrao ?
3- Aminao ve ny sampana tokony hampandroso ny tenany samirery fotsiny sa tokony handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana koa ? Raha eny, amin’ny fomba ahoana raha ny hevitrao ?
0 Commentaires