(Sal 144.1-4 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 531)
Salamo 31. 19-24
Tlava an’i Jehovah ry olona masina (and 23)
1. Isaorana anie Jehovah
Manao izao Salamo fiderana sy fisaorana izao i Davida fa lehibe sy maro ny famindrampon’ Andriamanitra amin’ny fiainany (and 19). Manana tahiry amin’izany ny Tompo fa tsy vao amboarina nа foronina, ho an’izay matahotra sy mialoka Aminy. Manoloana ny haratsiana sy hetraketraky ny fahavalo, dia Izy no manafina tsy ho tratry ny loza; ary izay teti-dratsin’ny ratsy fanahy dia ny Tompo no manafina ny mpanompony. Manam-ponenana ao amin’ny Tompo i Davida, izay lavitra ny mpifosa. Ao amin’ny fonenany, izay efa tanana mimanda, dia miharihary ny famindrampon’ny Tompo amin’ny mpanompony. Tsy ny hamafin’ny manda no itokiana sy ianteherana fa ny famindrampony (and 21). Isaorana ny Tompo fa mihaino ny antso vonjy atao Izy, ka tsy rembin’ny fahavalo sy ny fahafatesana ny mpanompony
2. Tiava an’l Jehovah, ry olony masina (and 23-24).
Ho valin’ny famindrampon’Andriamanitra dia ny fitiavana tokana ihany no mahavaly izany, sady Izy no manome izany (Rom 5.5). Atolory ny Tompo àry ny fiainantsika olony masina rehetra. Ao aminy ihany no fiarovana azo antoka ho an’ny mijoro amin’ny fahamarinana. I Davida dia nanavotra ny Isiraely, fiangonan’Andriamanitra, tamin’ny fampahorian’ny Filistina sy Goliata. Nankabala sy nanenjika azy hatrany i Saoly mpanjaka noho ny fanahy ratsy tao aminy. Niaro azy kosa Andriamanitra. Amin’ny fitahiana sy ny fahasoavana azonao, tiavo Andriamanitra; tsarovy mandrakariva ny fitiavany sy ny famindrampony. I Jesoa dia nanolotra feno ny fanahiny tamin’ny Ray teo anoloan’ny mpamono Azy (Sal 31.7; Lio 23.46): «eo an-tananao no atolotro ny fanahiko ». Atolory ny Tompo ny fiainanao.
Fanontaniana :
Mety miaraka tsara ny fisaorana sy ny fiderana ny Tompo ao anatin’ny fisedrana. Ahoana ny hevitrao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe