Sal 66,1-4 / Hira194.1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira787.1.4
1 Korintiana 10. 31-11.1
Mampianatra ny Fiangonana i Paoly mba hijery izay mahasoa, fa tsy ho tafalatsaka amin’ny faharatsiana sy fanaranam-po. Zanak Andriamanitra isika, noho izany:
1. Kendreo ny voninahitr’Andriamanitra
Feran’ny Soratra Masina tsara ny Kristiana tany Korinto mba tsy hiray latabatra amin’ny demonia. Andriamanitra mahery sy saro-piaro Andriamanitra. Ka izay zanany tokoa dia manalavitra tanteraka ny sampy na ny demonia. Fehezin’i Paoly fa izay rehetra atao dia hikatsahana ny voninahitr Andriamanitra. Na dia efa nafahana aza ny Kristiana dia tsy midika izany fa afaka manao izay tiany hatao, fa tsy maintsy manao kosa izay mifanaraka mandrakariva amin’ny sitrapon Andriamanitra.
Ny hetsika rehetra karakarain’ny Kristiana na ny Fiangonana dia tokony ho dinihina lalina vao tanterahina, sao sanatria mikendry zavatra hafa fa tsy ny voninahitr Andriamanitra.
2. Katsaho izay mahasoa
Amin’ny fahalalan’ny olona an’ Andriamanitra sy ny Teniny, dia mety hişy ny fahadisoan-kevitra te hanao izay mahafinaritra azy fotsiny. Izany dia noho ny fahafantarana sy fandikana diso ny Soratra Masina. Raha miresaka ny fahalalahana sy ny finoana dia matetika heverin’ny olona fa azo atao avokoa ny zavatra rehetra. Eto anefa i Paoly milaza mazava fa isika Kristiana dia olona mikatsaka izay mahasoa hatrany, tsy ny soa ho an’ny tena irery fa ny soa iombonana araka ny sitrapon’ny Tompo. Toe-tsaina tsara iainana mba hijoroana vavolombelona izany.
Fanontaniana:
Inona avy sakana fantatrao mahatonga ny Kristiana tsy hikaroka izay mahasoa ao amin’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe