Salamo 124. 1 – 8

Davıda no manoratra ity Salamo fisaorana an’Andriamanitra ity ary tiany mba ho hiram-bavaka ventesintsika eto am-pamaranana izao volana Jona izao fa maro ny zavatra natrehantsika nandritra izay 29 andro izay. Koa raha mitehan-ko farany ity ny volana dia mahatsıaro tahaka an’ Davida isika ny amin’izay nitondrany ny fiainantsika .Asongadin’ity salamo ity ny tombotsoa azo amin’ny fiarahan-dàlana amin’Andriamanitra .Tsaroana fa mandray andraikitra Andriamanitra manoloana ireo sedra mianjady amintsika . Tsy afaka hiala amin ireo fandrika sy fitaka ataon’ilay ratsy isika raha tsy miaraka amın’ny Tompo.Tsy azo hamaivanina ny herin’lay ratsy fa tsy maintsy miantehitra amin ‘ny herin Andramanitra mahagaga isika.Mazava ny tenin’i Paoly hoe : »Inona àry no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany ? Raha Andriamanitra no momba antsika,iza no hahatohitra antsika? (Rom 8.31) . Raha Andriamanitra no miandany aminao dia mpandresy ianao ?

Fanontaniana :

Ahoana ny fanapahankevitra anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM