APOKALYPSY 12.1-6

Toy izao ny fanazavana ireo famantarana voalaza eto ;

1-Ilay vehivavy mitafy masoandro (and1)

Ny fiangonan’Andriamanitra no sary asehon’ilay vehivavy. Niatrika fanenjehene mivaivay ny mpino tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany.Ny hampahery ireo kristiana tamin’izany andro izany no kendren’ny famantarana.Mety hihatra amin’ny kristiana amin’ny fotoana rehetra ihany koa anefa izay nahazo ireo fiangonana voalohany ireo , ary ny hoe ; mitafy masoandro dia entina ilazana ny voninahitra sy ny hery ampombain’ny Tompo azy. Ny hoe; bevohoka sy mihetsi-jaza kosa dia ilazana ny fahalemeny sy ny fahoriana izay mihatra aminy. »Ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina satria marary fatratra efa hiteraka »(and 2).

2- Ilay dragona (and 3.4)

Satana sy ny fahalozana entiny no endrika asehon’ny dragona .Mahatahotra sy mahatsiravina ny endriny. »dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo ary misy diadema fito amin’ny lohany ».Ny ataony dia tsy misy afa-tsy ny hanozongozona sy hampitondra fahoriana ny fiangonana. Izany no hevitry ny hoe ;  »ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ilay vehivavyefahiterakamba handrapaa ny zanany raha vao teraka » and4.Nihevitra izy fa ho mora ny hahazoany mamotika ny fiangonana.Tsy izany ihany anefa no mitranga satria voafetra ihany ny heriny .

3-Ny zazalahy and5

Jesoa Kristy Mpanjaka no ambaran’izany. »Izy no hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by’‘.Nakarina faingana eo anilan’Andriamanitra sy eo anilan’ny seza fiandrianany ilay zaza. Mampahatsiahy fomba niarovan’Andriamanitra an’i Jesoa zaza tamin’ny tànan’i Heroda sy ny nandosiran’i Josefa sy Maria tany Egypta ny fandosirana tany anefitra and 6

Fanontaniana ;

Mbola miatrika fanenjehana ny fiangonana ankehitriny .Hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM