2 TIMOTY 1.6-12

Ny mpino nandray fanomezam-pahasoavana

« Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika , fa fanahy mahery sy fitiavana » (and7). Nametra-tànana tamin’i Timoty i Paoly sy nahafahan’i Timoty nandray ny Fanahy Masina .Ambaran’i Paoly fa fanahy mahery sy fitiavana no noraisin’iTimoty .Ny Fanahy masina no hanova ny tantaran’i Timoty ka hahafahany miroso amin’ny lalina araka ny toromarik’i Jesoa Tompo .

2-Mijoro vavolombelona

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (and8). Ny hevitr’izany dia aoka ho sahy maty amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana ka tsy hihemotra na amin’ny mora na amin’ny sarotra , satria omban’ny fanahy maherin’iJesoa Kristy Tompo .

3-Mitory Filazantsara

« ny amin’io Filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra «  (and 11). Fitoriana an’iJesoa Kristy Mpamonjy , ilay nahafoana ny fahafatesana (and10). Jesoa ,Ilay niantso tamin’ny fiantsoana masina araka ny fikasany sy ny fahasoavany (and9) .Mibaiko antsika hitory ny Filazantsara ny Tompo .Fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho.

4-Manana faharetana

« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao , ka tsy menatra aho , satria fantatro izay inoako » (and12). Ny fahafantarana tsara izay inoana no hahafahana mijoro tsara ka hananana faharetana amin’ny fanompoana . Na dia any am-ponja aza i Paoly dia mbola mijoro ho mpampahery .

Fanontaniana:

Inona amin’ireo toromarik’i Paoly ireo no efa niainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM