Sal118.1-6 / Hira 14.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 539. 1-2

Rehefa nilaza taminy i Maria fa lany ny divain’ny mpampakatra dia novalian’i Jesoa hoe: « Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? Tsy mbola tonga ný fotoako ». Nentin’i Jesoa nanehoana tamin’ny reniny izany fa eo am- panatanterahany ny asan’Andriamanitra nanirahana Azy dia tsy manana zo hibaiko Azy amin’izay tokony hataony i Maria na dia reniny ara-nofo aza satria amin’ny maha Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy no iasany. Nasehony ihany koa fa tsy amin’ny fotoana itiavan’ny olona hahazo ny vahaolana no hanomezany ny vahaolana fa amin’ny fotoany. Izany hoe amin’izay fotoana fantany fa tokony hanaovana izany araka ny sitrapony. Mangataka no azontsika atao fa tsy afaka mibaiko an’i Jesoa amin’ny fotoana hanomezany valim-bavaka isika.

Fantatr’i Maria fa olona mpandray andraikitra i Jesoa ary izany no nitarainany taminy fa tsy dia ny hoe hanaovany fahagagana loatra. Izany no nilazany tamin’ny olona hoe ataovy izay asainy ataonareo na dia toa nanana endrika fandavana azy aza ny Tenin’i Jesoa. Tonga tokoa ny fotoanan’ny Tompo ka nibaiko ny olona izy ny hanovozana ny siny nofenoina rano. Niseho ny vahaolana satria rehefa nanatanteraka izay nolazainy tokoa ireo olona nobaikony dia gaga nahita fa niova ho divay tsara ny rano tao anaty siny. Izay mankato izay lazainy no mahita vahaolana.

Efa nankato izay lazain’ny Tompo tokoa ve ianao?