JAONA 12.44-50
Ny Tenin’Andriamanitra
1-Tandremo tsara
Raha mitandrina ny teny izay ambaran’i Jesoa isika dia ambarany fa misy ilay mitsara antsika . Ny hevitr’izany dia izao : anjaran’i Jesoa ny manome ny teny fiainana ho antsika ary anjarantsika ny mihaino sy mandray izany sao ho fanamelohana antsika ny tsy fitandremantsika izay ambarany .Hoy i Jesoa manamafy izany : » izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko dia manana izay mitsara azy . Ny teny izay nolazaiko , izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany » (and 48) .Tsy hanameloka antsika no tanjon’ny Tompo fa ny hanavotra sy hanolotra fiainana ho antsika .
2-Fiainana mandrakizay ho anao
« ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny . Koa izay lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko » (and50) . Tsy mba nanova ny teny avy amin’ny Rainy i Jesoa fa izay nambara taminy ihany no nolazainy ary na tamin’izay nataony aza dia izay nanirahana azy ihany no notanterahany .Fa hoy Izy : « fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko , fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy , dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy , fa hatsangako indray amin’ny andro farany » (Jao 6.39)
Fanontaniana :
Ahoana ny fahatsapanao ny fiainanao rehefa mandray ny tenin’ny Tompo ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM