LIOKA 12.32-40
Ny olona nomen’Andriamanitra ny fanjakany
Mampiavaka ny Filazantsara araka ny Lioka ny fanasongadinana ny fihetsik’iJesoa manoloana ny kamboty ,ny malahelo,ny voan’ny tsindry hazo lena,ny mpifatotra ,ny marary,ny ankizy sy ny olona nomena ny fanjakan’Andriamanitra dia :
1-Manao asa fiantrana (and33-34)
Jesoa dia manome anjara toerana an’ireo olona voailikilika eo amin’ny fiaraha-monina . Asehon’ny mpanoratra fa ny tena zanak’Andriamanitra dia mampifanaraka ny teny sy ny asa,tahaka izay nataon’i Kristy . « Fa izay itoeran’ny harenareo dia ho any koa ny fonareo ».Tsy nilaza akory Jesoa fa mahadiso ny Kristiana ny fananana trano sy harena. Ary rariny aza raha ny zanaky ny fanjakan’Andriamanitra no misitraka ny harena nomen’Andriamanitra azy ao amin’ny taniny . Saingy mampitandrina kosa izy mba tsy ho latsaka amin’ny fitiavam-bola tafahoatra ,ka hahaizany mizara izany . Mba tsy ho izy ihany no hanankarena nefa ny manodidina azy fadiranovana .
2-Miambina (and35-40)
Asehon’I Jesoa amin’ny alalan’ny sary an’ohatra izay tokony ho fiomanana takina amin’ny vahoakan’ny fanjakan’Andriamanitra eo am-piandrasana ny fiverenan’ny Tompo . Mahafaly ny Tompo raha amin’ny fiverenany no mahita ny mpino feno fahavononana amin’ny fitsenana Azy,vonona mandrakariva amin’ny asa fanompoana rehetra mety ilaina amin’ny fahatongavany.Izany no hevitry ny hoe: “Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo” (and35). Ankoatra izany dia tsy maintsy ho mailo hatrany isika satria ho tampoka ny fahatongavany (and39-40)
Fanontaniana:
Nahoana no misy mahantra ao am-piangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM