Marka 13. 14-20

Ny fitsaran’Andriamanitra

1- Miteraka fahoriana

… Tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. » (and. 19)
Filazana ny amin’ny fandravana ny tanànan’i Jerosalema entina maneho ny hamafin’ny fanenjehana amin’ny andro farany, izany hoe amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy indray. Andro fahoriana lehibe vokatry ny fitsaran’Andriamanitra. Andro fahoriana izay mbola tsy nisy tahaka azy sady tsy hisy intsony izany. Andro fahoriana ho an’ny olona izay tsy mino an’i Jesoa Kristy ny andro farany, izay hiverenan ‘i Jesoa Kristy fanindroany. Ary izany no itaomana ny olom-boafidy ho amin’ny fihazonana hatrany ny finoana mandra-pihavin’i Jesoa Kristy indray. Ary izany no azo hiarovan-tena amin’ny fitsaran’ Andriamanitra.

2 Andriamanitra mitsinjo ny olom-boafidiny

«..fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany. » (and. 20)
Ho mafy dia mafy tokoa ny fahoriana amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy ka tsy misy nofo mahazaka izany. Satria tsy misy nofo mahazaka izany, dia hiala amin’ny finoana daholo ny olona rehetra ka tsy hisy ho voavonjy. Kanefa ho fiarovana ny olom-boafidin’Andriamanitra, mba haharetany amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia nohafohezina izany fotoana izany. Andriamanitra mitsinjo ny olom-boafidiny ka mampihena ny fahoriana mihatra aminy: mba haharetany hatramin’ny farany. Tsy noho ny fiaretana sy ny faharetan’ny olona akory nobmahatonga azy maharitra fahoriana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy fa Andriamanitra manamora ny fahoriana iaretany.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hananana finoana mafy orina?