ROMANA 9.14-26
Mampianatra antsika ity perikopa ity fa :
1-Masi-mandidy Andriamanitra (and14-18)
« Koa izay tiany hamindrana fo no hamindrany fo ary izay tiany hamafiana fo no hamafiany fo » , hoy i Paoly rehefa avy manazava ny amin’i Mosesy izay nofidian’ Andriamanitra sy ny amin’i Farao izy nohamafiana fo mba hanehoana ny voninahitr’Izy Tompo. Maneho izany fa masi-mandidy ny amin’izay tiany atao Izy, tsy voafetran’olombelona fa mahalala izay mety sy tokony atao .Tsy Andriamanitra mizaha tavan’olona anefa Izy , fa izay ataony dia hokendreny mandrakariva ny mba hananan’ny olona fifandraisana tsara Aminy tahaka izay nahariany Azy tamin’ny voalohany .Io Andriamanitra marina sady masi-mandidy io no hitaomana anao koa mba hinoanao, fa ny zanany lahitokana aza nomeny hamonjena izao tontolo izao (Jao 3.16) .Olombelona iza no hahavita izany?
2-Be famindrampo Andriamanitra (and19-26)
Raha ny tanimanga sy ny mpanao Azy no hanoharan’i Paoly ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona dia midika mihitsy izany fa tena afaka manao izay tiany amin’ny voahariny Izy Tompo ary tsy mana-kalahatra eo anatrehany akory ny olona, kanefa tsindriana eto koa ny hoe : « be fahari-po » (and22) Izy .Ny hevitr’izany dia hoe : miaritra na mandefitra ny tsy mety ataon’ny olona izay efa tokony haringana noho ny fahotany ka mivonona hamela heloka sy hamindra fo ary tsy manavaka na iza na iza fa » hiantso ny tsy oloko hoe: oloko aho, ary ilay tsy malala hoe : malala« . Manana anjara amin’izany famindrampo izany ianao , ary ho anao indrindra no nanomezany an’i Kristy hisolo ny helokao mba hahazoanao ny famonjena .
Fanontaniana:
Nahoana no tsy mahita ny haben’ny famindrampon’ny Tompo ny olona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM