1 MPANJAKA 13.1-6
And 2 » Ary ilay lehilahin’Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’i Jehovah ... » Nahoana Andriamanitra no miresaka amin’ny alitara? Izao no zava-nisy : Jeroboama mpanjaka dia nanatitra ho an’ireo sampiny . Nahatezitra an’Andriamanitra izany ka antony nisian’izao tantara izao (vakio toko 12 25)
1-Mahatezitra an’Andriamanitra ny tsy fihainona Azy
Mijery ny fon’izay manatitra fanatitra ho Azy Andriamanitra . Jeroboama ilay nanompo sampy no mijoro eo amin’ny alitarany , dia nahatezitra Azy ka nitenenany ny alitara . Fantantsika ny tantara fa tanteraka izay noresahan’Andriamanitra tamin’ny alitara . Fa isika olombelona kosa dia tsy mba nahay nihaino sy mankato ny Teniny tahaka an’i Jeroboama mpanjaka teo anilan’ny alitara .Izany no tsy ahitantsika fahombiazana amin’ny fiainantsika .Hoy i Jesoa : « Raha miray amiko ianareo , dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany » (Jao 15.7)
2-Ifony izay tsy nety
Nahatsiaro diso i Jeroboama ka niangavy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra izy mba hositraniny dia sitrana . Matetika isika raha tsy nahita loza tsy mahatsiaro mifona amin’Andriamanitra Tamin’ny fivadihantsika taminy .Na izany aza anefa dia tsarovy fa tia antsika Andriamanitra ka mamindra fo amintsika rehefa mibebaka marina isika (1 Jao 1.9)
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona raha tsy voadona tsy mahalala hivavaka?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM