SALAMO 66.8-12

Iorenan’ny fahafahana ny Tompo

1-Manandratra antsika ny Tompo (and10)

Ny volamena tiana hadio sy ho miavaka no tsy maintsy diovina . Tsy zava-mora anefa izany fa mahery vaika tokoa ny fitaovana hanadiovana azy : asidra mahery, afo mivaivay no tsy maintsy ampiasaina . Izany no hitondran’Andriamanitra antsika satria tiany hiala izay tsy volamena amintsika (vakio Isa 25) .Tsy maintsy zahana toetra ny fontsika ,araka ny tenin’i Petera hoe: « Ry malala,aza gaga amin’ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra ary aza atao ho zavatra mahagaga mahazo anareo izany ,fa araka ny niombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny «  1 Pet 4.12-13. Tiany haseho amintsika ny voninahiny .

2-Akaikintsika amin’ny andro fahoriana ny Tompo (and11-12)

Raha mandinika tsara izay voasoratra isika dia mahita fa toa Andriamanitra mihitsy no mitondra antsika amin’ny zava-mafy hatrehantsika : mampiditra anay,nanisy enta-mavesatra ,nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay ,….Hianao « .Toy ny tompon’antoka amin’izay mitranga Andriamanitra .Ary tsy izany ihany fa hatramin’ny ora fandresena dia tao Izy, »nitondra anay nivoaka …Hianao ». Manambara sy manasongadina ny fitantanan’Andriamanitra izany sy mampiharihary fa tsy mandao Izy amin’ny andro fahoriantsika .Jesoa efa nanome toky antsika hoe: « Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahafatesan’izao tontolo izao »(Mat 28.20).

Fanontaniana :

Oviana ny fotoana nahatsiarovanao fa tsy teo anilanao Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM