Apokalypsy 15.1-8

Ny fitsaran’Andriamanitra

Asehon’ny mpanoratra amintsika fa amin’ny andro farany dia tsy maintsy hiatrika fitsaran’Andriamanitra ny olona rehetra, ka samy hanana ny anjara toerana manandrify azy ny tsirairay.

1- Ny ho anjara toeran’ny voavonjy.

Ny olom-boavonjy dia ilazana ireo olona nahatoky rehetra, anisan’izany ireo maritiora sy ireo izay nijoro tamin’ny finoany an’i Jesoa Kristy ka naharitra hatramin ‘ny farany.Ireo no vahoaka navotan’Andriamanitra. Mijoro sy mandeha eo ambonin’ny ranomasina fitaratra mifangaro amin’ny afo izy ireo ka miampita amin’izany, sady mihira ny fihiran’i Mosesy (and.2) .Mampahatsiahy antsika ny fanavotan’Andriamanitra ny Zanak’Israely sy ny niampitany ny ranomasina mena izany. Ravoravo izy ireo, ka mihira fiderana an’Andriamanitra izay Tompon’ny hery nahazoana fandresena. Ny “fihiran’i Mosesy » sy « fihiran’ny Zanakondry« no hirainy, fihirana izay manambara ny fanavotana ao amin’i Kristy Zanak’ondrin’Andriamanitra.

2- Ny ho anjara toeran’ny tsy mino.

Rehefa hovohana ny tempolin ‘Andriamanitra any an-danitra, izay misy ny « tabernakelin’ny vavolombelona »mirakitra ireo didy folon’Andriamanitra dia hiseho ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny fahamasinany.Mikatona ho an’izay tsy mino ny fahafahana manatona Azy « …ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ny anjely fito ».Lazaina eto izany mba hahafahan’ny rehetra miomana dieny izao. Ny finoana ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana no mampitony io fahatezeran’Andriamanitra io tsy hihatra amintsika.

Fanontaniana:

Efa vonona hiatrika ny fitsaran’Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM