ASAN’NY APOSTOLY 13.16-25
Miomana handray ny Tompo
Niditra tao amin’ny synagoga i Paoly ary nangatahan’ireo mpanapaka ny synagoga mba hitondra ny fampaherezana ny vahoaka . Nitondra ny teny tokoa ny Apostoly ary ny vontoatin’ny hafany dia mitaona antsika manao hoe :
1-Fantaro fa nandefitra tamintsika ny Tompo
Voalaza ato amin’ny teny nambaran’i Paoly fa rehefa navoakan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozana tao Egypta ny zanak’Israely dia nentiny namaky ny tany efitra . Voalazan’i Paoly eto tamin’ny nataon’ny olony Andriamanitra tamin’izany . Moa tsy fiainantsika va izany ? Mbola mandefitra amin’ny hadalantsika Andriamanitra . « Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy , hoy i Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny làlany ratsy mba ho velona izy ? » (Eze 18.23) . Fa izao kosa anefa : « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana , fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka » (Asa 17.30)
2-Fantaro fa i Jeso no Mpamonjy
Asongadin’i Paoly amin’ny fanazavany eto koa fa fahizay dia navoakan’Andriamanitra tao amin’ny fanandevozan’i Farao ny olona fa ankehitriny kosa dia navotan’Andriamanitra tamin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana tamin’ny alalan’i Jesoa .Izy no Mpamonjy sy mpanafaka ny olona ankehitriny . »Indro ny zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo zao « (Jao 1.29) .Ny fandraisantsika an’i Jesoa dia mitondra antsika ho amin’ny famelankeloka ka hahatonga antsika tsy hanam-panenenana rehefa mby eny amin’ny rahon’ny lanitra Izy.
Fanontaniana:
Inona avy ny dingan atao eo am-piandrasana ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM