MATIO 25.31-46

Jesoa Kristy Mpanjaka sy Mpitsara

1-Mamory ny olona rehetra

« ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany «  (and32) . Jesoa Kristy eo amin’ny seza fiandrianany , Ilay Tompo sy Mpanjaka manangona ny firenena rehetra ho eo anatrehany amin’ny andro farany .Jesoa Kristy mamory ny velona sy ny maty hiatrika ny fitsarana .Izany dia maneho fa efa voatory manerana izao tontolo izao ny Filazantsara ary eto no hitsarana ny fandraisan’ny tsirairay izany Filazantsara izany .Noho izany , ny olona rehetra izay miaina sy nandalo teto ambonin’ny tany dia tsy maintsy hiatrika ny fitsaran’i Jesoa Kristy ary tokony hiomana amin’izany ny tsirairay .Tsy maintsy ho tonga ny fitsarana velona sy ny maty ataon’i Jesoa Kristy Mpitsara ary tsy maintsy hiatrika izany ny rehetra.Tsy zavatra mandeha ho azy akory ny fiainana ety an-tany fa mbola hisy fitsarana.

2-Manavaka ny marina sy ny meloka

« ...dia hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy  » (and32).Oharin’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny ondry ny marina ary osy ny tsy marina izay hiatrika ny fitsarana .Samy manaiky ireo fa i Jesoa Kristy no Tompo.Rehefa tonga ny andro fitsarana dia hanavaka ny marina amin’ny tsy marina i Jesoa Kristy Tompo .Ny marina dia ireo izay nihevitra sy nanampy ireo sahirana ary ny tsy marina kosa dia ireo izay tsy mba nanao izany .Araka izany , sarobidy amin’i Jesoa Kristy ny fanampiana ireo sahirana sy mahantra . Ary lazainy mihitsy fa natao taminy izay natao amin’ireny .Ampio ireo mahantra sy sahirana amin’ny fiainana fa antoka hahafahana mandova ny fiainana mandrakizay izany, satria toy ny natao tamin’i Jesoa Kristy izany .

Fanontaniana:

Inona ny fombaheverinao hanampiana ire mahantra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM