Isaia 42. I-9
Ao anatin’ny antsoina hoe : Isaia faharoa ny mofonaina anio, izany hoe : miresaka ny amin’ny fiainan ‘ ny Jiosy tany am-pahababoana ary mampanantena famonjena sy fanafahana rahateo koa. Anankiray amin’izay efa mampiomana ny hiaviany sy ny andraikitra ho tanterahin’i Jesoa koa ilay mofonaina anio ity. Eto dia avotra ny mampiavaka ny olom-boafidin’Andriananitra, manao ahoana ary izany?
1- Manana ny fanahin’Andriamanitra (and 1b)
«Napetrako tao aminy ny fanahiko » hoy ny Tompo eto raha manondro ny mpanompony izay « voafidiny sady sitraky ny fony». Azo takarina amin’izany fa ny olom-boafidin’ Andriamanitra dia manana ny Fanahin’Andriamanitra ao aminy, noho izany tsy misy anjara toerana ho an’ny fanahy hafa ao. Ary tsy izany ihany, fa io Fanahin’Andriamanitra io no mitarika hanao ny iraka ankinina aminy. lo Fanahy io no lazain’ny Testamenta vaovao koa hoe : Fanahy Masina izay nomena ny mino. lanao mamaky kosa, mahatsiaro ho olom-boafidin’Andriamanitra ve ianao? moa manana ny Fanahin’Andriaınanitra va ianao?
2- Mitondra fahazavana (and 6d)
« Ho fanazavana ny Jentilisa » no antony niantsoan’ Andriamarnitra ny mpanompony voalaza eto, ary hamafisiny koa fa Izy Jehovah mihitsy no hitantana sy hiaro ny voafidiny. Ny hevitr’izany dia hoe : nofidiana hanafaka ny hafa ao anaty aizina ny mpanompony. lzany no tsy mampisalasala an’i Jesoa nilaza hoe: «lzaho no fahazavan ‘izao tontolo izao» (Jao 8. 12), ary nataon’i Jesoa tokoa izany raha tsy hilaza afa-tsy ny nampahiratany ny jamba. lanao koa, irahin’ ‘Andriamanitra ianao, ho any amin’ izay mbola lavitra ny vala ( jentilisa ), amin’ny fiteninao, amin’ny asanao dia aoka ho fahazavana.
Fanontaniana:
Ahoana no ahatsapanao fa voafidin Andriamanitra ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM