Salamo 19 : 1-6
Ny fitoriana ny asan’Andriamanitra
Raha miresaka ny filazana na fitoriana ny asan’Andriamanitra ny mpanao Salamo dia ireto no zava-dehibe ambarany
- Andriamanitra tenany no manambara ny momba Azy (and 1)
DIEM « Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka mitory ny asa vitany »
Ny lanitra dia milaza ny fonenan’Andriamanitra, milaza izay misy an’Andriamanitra. Avy ao amin’izay misy an’Andriamanitra no ivoahan’ny fanambarana an’Andriamanitra, fanambarana ny momba an’Andriamanitra. Tsy misy afaka milaza ny momba an’Andriamanitra rahateo araka ny fampianarantsika fiangonana raha tsy Izy tenany aloha no maneho ny maha-izy Azy. Tsy misy afaka mahafantatra an’Andriamanitra raha tsy miainga amin’izay ambaran’Andriamanitra momba ny tenany. Matoa afaka milaza toy izany ny fiangonana na mitory ny momba an’Andriamanitra dia satria naharay izany avy amin’ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany izy. Eto moa izany fanambarana izany dia sady milaza ny halehiben’ny asan’Andriamanitra no miresaka ny haben’ny voninahiny. - Tsy misy fiafarany ny fanambarana an’Andriamanitra (and 2)
DIEM « Ny andro mitantara izany amin’ny andro mandimby, ary ny alina milaza izany amin’ny alina manaraka »
Miampita isan’andro ny fitantarana na fitoriana ny momba an’Andriamanitra. Tsy misy fetrany izany fa raha mbola miposaka koa ny masoandro ka tonga ny andro dia mbola hisy fitantarana an’Andriamanitra sy ny momba Azy. Midika koa izany fa miezaka mahatratra ny taranaka rehetra ny fitoriana ny asan’Andriamanitra, ny olona rehetra no tanjona tratrarina amin’izany. Ny olona mitory no mety tapitr’andro ka hampita izany amin’izay mbola velona, raha mbola misy koa andro ka mbola misy olombelona dia hitohy hatrany ny fitoriana ny asan’Andriamanitra.
Barinarivo Rajaosoa,Mpitandrina
President Synodal FJKM