- Ny STK
- Tetikasa STK
Maha izy azy ny Sampana STK Filadelfia Meaux
Ny Sampana Tanora Kristiana, afohezina hoe S.T.K, dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Filadelfia Meaux, natao hifampitaizana sy hibeazana mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary ahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.
Amin’ny maha Sampana velona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny S.T.K. sady manaja ny Fitsipika anatin’ny Fiangonana Vohitsoa ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .
Zava-kendreny
Ny S.T. K, amin’ny asa ataony dia mikendry :
- Ny hitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra ( Mar 16,15)
- Ny hampivondrona sy hanangona ary hitaona ireo tanora ao anatin’ny Fiangonana sy any ivelany mba hiara-miasa hamelona sy hampandroso ary hampiroborobo ny asan’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana.
- Ny hanainga sy hanentana ny mpikambana samy handray anjara amin’izay tandrifiny azy, araka ny fanomezam-pahasoavana ananany.
- Ny hahatonga ny mpikambana hahalala an’ Andriamanitra sy hitombo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hiaraha- manompo Azy amin’ny fifaliana.
- Ny hanampy sy hanohana ny Fiangonana
- Ny hampifamatotra ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny samy mpikambana
Biraon’ny Sampana
Filoha: RAKOTOBE Harison
Mpitantsoratra: RANARIVELO Nivoniaina
Mpitahiry vola: RASOLONIRAINY Edmond
Mpitantsoratry ny vola: RANDRIAMAHEFA Tatiana
Fandaharam-potoana samihafa
Famerenan-kira : Sabotsy tolak’andro amin’ny 4ora-6ora
Fiofanana isam-bolana : Sabotsy faharoa isambolana, fitaizam-panahy
Tetiandro STK
Ireto ny tetiandron’ny STK mandritra ity taona 2018 ity.
Fitsangatsangana STK: Sabotsy 30 jona
Jolay iray volan’ny STK: Alahady 1 jolay – Alahady 29 jolay
Hisy hetsika fanaovana sakafo isan’Alahady.
Hanasana ny fandraisan’anjaran’ny Fiangonana
Krismasy tarihin’ny STKK: Sabotsy 22 desambra : Antsampanahy
Fety sy fankalazana samihafa
Fotoan-dehibe Fiangonana : Alahady 23 jona
Fotoana STK Foibe FJKM : Alahady 8 jolay