Sal 9.1-2 / HF 45 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 632.1

Izany no hafatra ho antsika eto.

Dikany:

Ny mino dia izay:

Manaiky ny antson’i JESOA hankeo Aminy aloha. Io ny dingana voalohany: « mankeo amin’i JESOA ».

Manaiky ny hery sy ny fahefany, fa tsy matoky tena.

Manaiky ny iraka anirahany ho famonjena ny hafa.

Tsy navelan’i JESOA hitondra vatsy ireto mpianany ireto fa hiankina Aminy feno, hatoky Azy hiahy ny fiainany manontolo co am-panefana ny ıraka ampanaoviny. Fianteherana feno amin’i JESOA manko no atao hoe finoana!

Nampiomana i JESOA fa tsy hoe satria Izy no maniraka, sady efa nanome hery sy fahefana, dia handray avokoa ny olona, tsia; mety hisy tokoa ny tsy handray. Ary « ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy », hoy i JESOA. Dia nandeha izy ireo (and.6). Izany no finoana: mandeha na mety tsy hahomby aza! Ny fankatoavana no zava-dehibe fa tsy ny vokatra! Ny vokatra, miankina amin’ny safidin’ny anirahany izany!

Araka ireo : mivelona ny finoana marina ve ianao?