Salamo 104. 24-35
Ny Fanahy Masina sy ny zava-boahary

Manana anjara toerana manokana hitondran’ Andriamanitra ny zava-boahary ny Fanahiny. amin’ny alalan’ny
1- Ny Fanahin’Andriamanitra : Mpahary
«Maniraka ny Fanahinao ianao, dia àry izy…» Ny Fanahiny no nentin Andriamanitra nahary sy namoronany zavatra rehetra. Safidin’ Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra, Izy no Tompon ny hevitra hahary ny zavatra rehetra. Azo ambara fa vinan’ Andriamanitra noho izany ny fahariana . Izy Andriamanitra no nandamina. Ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no nandavorary ny zavatra rehetra, tsaroana amin izany ny Gen 12-ary Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano
2- Ny Fanahin’Andriamanitra: mpamelona

«ary manavao ny tarehin’ny tany ianao»: Ilay tontolo noharin’ Andriamanitra dia mila aina. fahavelomana. Ilay manavao tarehin’ny tany dia azo ambara hoe: manome aina. manome endrika ilay asa fahariana nataon’ Andriamanitra. Izany hoe :ny Fanahin’ Andriamanitra dia manome aina, mamelona, manome endrika ny zavatra rehetra. Tsarovy fa isika olombelona dia noharian ‘Andriamanitra hitovy endrika Aminy. hifandray Aminy. Simban’ny fahotana anefa izany. Nomena ho antsika ny Fanahy Masina mba hanavao antsika, hanome fiainana vaovao ho antsika. Meteza hotarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva mba hanananao fiainana vaovao.
Fanontaniana:
Lazao fa tombotsoa omen’ Andriamanitra ho anao ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM