ROMANA 1.8-17
Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra
1-Ny lazan’ny finoan’ny hafa
Misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy i Paoly raha manoratra ho an’ny mpino Romana noho ny lazan’ny finoana (and 8) ,niteraka fifaliana fifaliana ho azy izany .Mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra hisaotra Azy ny nandrenesany ny finoan’ireto farany .Eo amin’ny fiaraha-monina dia zava-dehibe tokoa ny fankasitrahana ny tsara izay vitan’ny olona hahatonga azy hanao mihoatra noho izay vita , ary mahatonga fifandraisana tsara eo amin’ny samy mpanompo .Toy izany no nataon’i Paoly ho an’ireo Romana.Mendrika hankasitrahana ny kristiana izay malaza amin’ny finoana marina mba ho fiarahan’ny hafa koa.
2-Ny mivavaka ho an’ny hafa
Tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho ka mandrakariva raha mivavaka aho .Maniry dia maniry ho any Rima i Paoly raha manoratra , fa mangataka izy tao amin’ny vavaka ataony mba hisy fotoana hahafahany (and10). Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra dia ny mivavaka ho an’ny hafa fa tsy an’ny tenany ihany .Manao ho zava-dehibe ny hafa izy araka ilay tenin’i Jesoa hoe: « Tiava ny namanao » hoe: « Tiava ny namanao ». Ento am-bavaka ny hafa mba hiorina tsara amin’ny finoana an’i Jesoa.
3-Ny hitory vaovao mahafaly ho an’ny hafa
Paoly dia mahatsiaro fa ananan’ny hafa trosa fa hoy izy : « ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra ,ny hendry sy ny tsy hendry trosa aho« (and14) .Izany no nahatonga azy hitory Filazantsara any Roma koa.
Fanontaniana:
Inona no adidy tokony raisin’ny kristiana mba hahatanteraka ny fifaliany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM