JAONA 6.22-27
Ny olona mitady an’i Jesoa Kristy
1-Mitady fiainana mandrakizay
« Aza miasa hahazo hanina mety ho levona , fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay « (and 27)
Ampitson’ny andro izay nampihinanan’i Jesoa ny lehilahy tsy omby dimy arivo , dia mbola tonga hitady an’i Jesoa indray ny vahoaka , mba hihinanan’izy ireo mofo indray . Nanohitra izany fomba fisainana izany i Jesoa , satria hanina tsy maharitra sady fanomezana fahafahampo ny nofo fotsiny ihany fa tsy mikendry fiainana mandrakizay .Noho izany , ny hoe: mitady an’i Jesoa dia tsy noho ny fitadiavana hanina hahavoky ny nofo ihany fa hanomezana fahafahampo ny fanahy , dia ny Tenin’Andriamanitra izany . Jesoa Kristy , izay ambaran’ny Soratra Masina no fiainana ka izay rehetra manatona Azy amin’izany no manana fiainana mandrakizay .
2-Mino Azy ho avy amin’ny Ray
« …izay homen’ny Zanak’olona anareo , fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombokase » (and27)
Jesoa Kristy no nomen’Andriamanitra fahefana ary azo antoka fa Izy tokoa Ilay avy any amin’ny Ray mampiditra ny olona ho amin’ny fiainana mandrakizay . Ka raha mitady Azy ireto vahoaka ireto dia mila mino fa Jesoa Kristy dia avy amin’ny Ray .Toy izany koa isika , raha mitady sy manatona an’i Jesoa Kristy , aza mianina amin’ny fahazoana hanina mety levona amin’izao fiainana izao , fa kendreo ihany koa ny hinoana fa Jesoa Kristy no irak’Andriamanitra , mitondra fampihavanana amin’Andriamanitra sy ny olombelona . Koa aoreno amin’i Jesoa Kristy , Ilay voahosotra hitondra famonjena ho an’izay rehetra mino .
Fanontaniana :
Inona no manosika anao hitady an’i jesoa Kristy ? Hatraiza ny finoanao Azy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM