1 KORINTIANA 15.42-49

Afafy tena araka ny fomban’aina izy ,

atsangana ho tena araka ny fombam-panahy

Ny Grika izay mandà ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty dia mihevitra fa ny vatana dia zavatra misakana ny fanahy ka tsy mety raha misy vata-tena any an-danitra ,fa fanahy ihany no hita any . Ny Jiosy kosa dia mihevitra fa izao vatana ananana izao ihany no hitsangana indray fa tsy misy fiovana.Manazava ny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty kosa i Paoly araka zao : afafy araka ny fomban’aina ety an-tany ny vatan’olombelona , izany hoe : amboarina hifanaraka amin’ny zavatry ny tany ,hiaina araka ny fomban’ny tany . Amn’izay lafiny izay dia tena misy hitoviana amin’ny zava-mananaina rehetra ety an-tany mihitsy ny olombelona ,toy ny biby ohatra ,ka tsy mahagaga mihitsy raha misy mahavita zavatra tahaka ny ataon’ny biby .Maty araka ny fomban’aina ety an-tany no tsy maintsy hiafaran’izany tena araka ny fomban’aina izany ary tsy misy afaka amin’izany akory na iza na iza . Soa ihany fa misy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty araka ny hilazan’i Paoly azy hoe : vatana atsangana ho tena araka ny fombam-panahy .Tsy noheverin’Andriamanitra ho toy ny biby ny olona sanatria ary tsy najanony tamin’ny fomban’ny ety an-tany ihany , fa nomeny ny tena araka ny fombam-panahy tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty , ka afaka misitraka izany koa izay rehetra ao aminy . Araka izany , na dia mety maty aza ny tena ao amin’ny nofo , nafafy araka ny nofo dia fiainana mandrakizay kosa no omen’ny Tompo izay mino Azy ao amin’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Nafafy tety an-tany ho tena araka ny fomban’aina ny olombelona ,moa mety misitraka ny tena araka ny fombam-panahy kosa ve ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM