1 PETERA 1.13-25

Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

1-Mitondra ho amin’ny fahamasinana (and16)

Ny hoe : masina dia izay voatokana sy natokana ho an’Andriamanitra .Anisan’izany isika izay mianatra sy mandray ny teniny . Fa ny Tenin’Andriamanitra raha raisina sy hiainana dia mitarika antsika ho rikorikom-pahotana . « Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny fahalalana ny zavatra rehetra , ka ataoko ho taimboraka ireny mba

hahazoako an’i Kristy  » (Fil 3.8).Rehefa nandray ny teny i Paoly dia niova fijery ka nahafoy ny ratsy fanaony .

2-Maharitra mandrakizay (and 24-25)

Raha mitahiry ny Tenin’ ny Tompo ao am- po isika dia hanova ny fiainantsika izany. Mifindra amintsika ny herin’ ny Tenin’ Andriamanitra . Mazava ny and 23 « fa efa teraka indray ianareo , tsy tamin’ ny voa mety lo , fa tamin’ ny tsy mety ho lo dia ny Tenin’ Andriamanitra izay velona sady maharitra ». Vonjy maika sy mandalo izao fiainana izao. , na dia izay heverin’ ny olona ho voninahitra aza..Eny, tsy haharitra fa handalo ihany izany, fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra , izany hoe : izay mankato ny teniny no haharitra mandrakizay .(1 Jaona 2.17)

Fanontaniana

Inona eo amin’ ny fiainanao no efa ananan’ Andriamanitra fahefana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM