EKSODOSY 14.23-31
Andriamanitra manafaka
1-Manao zavatra tsy takatry ny saina
Toy ny nofinofy, izany hoe : « tany maina teo afovoan’ny ranomasina » kanefa izany indrindra no natoan’Andriamanitra hodiavin’ny olona .Maro be ny endrika ranomasina mandifotra sy manafotra antsika ankehitriny fa raha mametraka ny adintsika amin’Andriamanitra isika dia tanterahiny amintsika ny and 14 ka tonga tany maina ny ranomasina diavintsika .Jereo ny and 25 fa resy lahatra ny Egyptiana fa Jehovah mihitsy no mandray anjara amin’ny adin’ny olony .Moa tsy izany koa no nataon’i Jesoa ho antsika ? Izy no miady ho antsika hatramin’izao , « kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika » (Rom 8.37)
2-Mandringana ny fahavalo
Nampiasain’Andriamanitra ny ranomasina ho toy ny fefy teo ankavanana sy ankavian’ny olony ary izany ihany koa no nakatony ka nandringanany ny fahavalon’ny olony .Andriamanitra mandray anjara amin’ny ady atrehan’ny olony no hitantsika eto . Ny fitaovam-piadiana tsara sy mety indrindra tamin’izany no nentin’ny miaramila Egyptiana ,saingy tsy nahatohitra ny fitaovam-piadiana nandringanan’i Jehovah azy ireo .Moa tsy toy izany koa ve no hataon’ny fahavalontsika ? Ny famonoana ho faty an’i Jesoa no toy ny fitaovam-piadiana teo am-pelatànan’ny devoly ,saingy nampiasain’Andriamanitra izany ho fanavotana antsika . »Fa fony mbola tsy nanan-kery isika , dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy » (Rom 5.6)
Fanontaniana :
Inona no fitaovam-piadiana ataon’ny satana tena atahoranao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM