Jaona 11, 18-27

Nomena saina mandinika isika ahatsapana fa:

1 – Zava-doza ny fahabangan’i Jesoa

« Raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko » (and. 21): Fantatr’i Marta tsara ny fatiantoka goavana vokatry ny tsy maha eo ny Tompo. Fahafatesana, alahelo, ranomaso, fahadisoam-panantenana, nenina, fahakiviana, harerahana, izany no toe-javatra iainan’ireo olona maro izay lavitra ny fanatrehan’ny Tompo. Ny mampieritreritra dia olona akaikin’ny fon’i Jesoa na Marta na Maria na Lazarosy saingy niniany nampahafantarina ny fahabangany sy ny fahamarinan’ilay teniny hoe : « ety amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana » (Jao. 16. 33). Ny fahatsapana ny fikorontanam-piainana noho ny fahabangan’i Jesoa dia efa asan’ny Fanahy Masina sahady ahafahana mivoatra. Ireny no miseho dia ny hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra.

2 – Sarobidy ny fanatrehan’i Jesoa

JESOA KRISTY no vahaolana dieny ankehitriny araka ny teniny hoe : « Hitsangana ny anadahinao » (and. 23). Asehon’ny Tompo fa tsy ny hasarotry ny olana akory no ilazana fa tsy misy vahaolana intsony. Ao amin’ny toerana misy fahafatesana, alahelo, fahakiviana, dia afaka manova ny zava-misy ny Tompo. Eny fa izay heverina ho maimbo sy lo, voafatotra tanteraka, dia manam-pahefana amin’ny velona sy ny maty ny Tompo. Eo amin’ny toerana misy ny fanatrehan’ny Tompo dia misy vahaolana mazava, fanantenana, valim-bavaka, fifaliana, fahagagana. Manamafy izany ny Tompo araka ny teniny hoe : « Izaho no fananganana sy fiainana ». Manana vahaolana mihoatra noho izay takatry ny sainao ny Tompontsika.

Fanontaniana :

Hafa mihitsy ny fiainana ao amin’ny Tompo, nahoana ?