ISAIA 60.1-7

Manova ny tantaranao ny Tompo

1-Mitsangàna

« Mitsangàna » . Baiko mazava no omen’ny Tompo ho an’i Jerosalema izany . Efa lasa ny andro izay tsy nahafahana mihetsika ,nanjakazakan’ny fahavalo.Miroso ny dia ka tsy maintsy mifoha aloha , mitsangàna avy eo ary mirosoa amin’ny làlana izay soritan’ny Tompo .Koa mitsangàna!

2-Mihazavà !

Efa ao amin’ny mazava ianao izao . Mandidy anao ny Tompo mba hamirapiratra hatrany .Aza atao any ambany vata famarana ny jironao fa areheto ary sahia mijoro ho fanasina sy fahazavan ‘izao tontolo izao hatrany .

3-Tonga ny fahazavanao

Tsy fahazavana mbola andrasana fa efa tonga no ambara eto : Jesoa Kristy Tompo no fahazavanao sy fahazavan’izao tontolo izao .Izy no manafaka ny aizina amin’ny endriny rehetra .Fahazavana iainana sy ijoroana andavanandro izany .

4-Ny voninahitr’i Jehovah miposaka aminao

Aoka ho fitaovana mahomby eo am-pelatànan’ny Tompo ianao amin’izay ataonao .Fantaro fa maneho ny voninahiny amin’ny alalanao ny Tompo . Izay rehetra ataonao dia aoka ho fanehoana ny Voninahitr’Andriamanitra irery ihany .

5-Hirotsaka aminao ny fitahiana

« Fa hoentina ho anao ny haren’ny ranomasina » (and5d) . Ankoatry ny fiainana mandrakizay izay omanin’ny Tompo antsika dia manomana ho avy mamirapiratra ho anao dieny izao sahady izy (Deo 28.1-14) . Azy ny tany sy izay rehetra ao aminy . Finoana arahana asa no takiany aminao .

Fanontaniana :

Inona no hafatry ny Tompo ambarany aminao anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM