Jaona 9. 24-34

Ny olona nandray ny fahazavan’i Kristy

1. Manaiky ho mpianany

«Moa te-ho mpianany koa va ianareo? » (And. 27)

Jesoa nanasitrana lehilahy teraka jamba. Nanahirana ny Fariseo izay fatra-pitandrina ny lalana momba ny Sabata izany. Fady ny manasitrana amin’ny andro Sabata araka ny lalána. Satria ity lehilahy nahiratra dia nanaiky ho mpianatr’i Jesoa Kristy. Sarin’ny fahiratana ara-panahy ny an’ity lehilahy ity. Manaiky ho mpianatr’i Jesoa Kristy ny olona izay nandray ny fahazavana avy amin’i Jesoa Kristy satria nisitraka ny fahasoavana avy taminy. Ny fahatsapan’ny olona ny hasarobidin’ny fahasoavana noraisiny avy amin’i Jesoa Kristy no mahatonga ny olona ho mpianany. Ny mpianatr’i Jesoa dia manaraka ny heviny sy ny fomba fisainany. Ary manana ny sain’i Kristy tsy voahozongozona izy.

    2. Mijoro ho vavolombelony

    « Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. » (And. 33)

    Sahy niteny ampahibemaso, teo anatrehan’ny Fariseo sy ny Jiosy ilay nahiratra fa avy amin’Andriamanitra i Jesoa Kristy, tsy mpanota i Jesoa ka afaka nampahiratra ny masony. Tsy menatra ny nijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izy. Araka izany, ny olona mahiratra ara-panahy, nandray fahazavana avy tamin’i Kristy dia sahy mijoro ho vavolombelony. Tsy menatra ny milaza momba ny an’i Jesoa Kristy fa tena avy amin’Andriamanitra tokoa Izy, na dia tsy mino Azy aza ny olona. Tsy mora anefa izany fa matokia an’i Jesoa Kristy fahazavana hanazava anao hatrany.

    Fanontaniana

    Ahoana ny fomba ijoroana ho vavolombelon ‘i Jesoa Kristy?

    Sampana Sekoly Alahady Foibe