ROTA 3.1-5
Tantaran’ i Rota Moabita no raketin’ny Mofonainantsika anio . Rota dia vehivavy tsy Jiosy , avy any 01Moaba , nanambady ny zanak’i Naomy.Ny hafatra eto dia :
1-Aoka hahay hifankatia
Fa hoy i Rota : » …fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako , ny firenenao no ho fireneko , ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro « .Io fomba filazan-dRota io dia maneho fa ny tena zava-dehibe indrindra eo dia ny finoany ny Andriamanitry ny Israely .Izay no nahatonga ho nolazainy farany .Diniho fa ny « aleha » no azaina mialoha , avy eo « itoerana » dia mihalehibe ihany , »firenena » ary farany izay lehibe indrindra dia Andriamanitra .Io Andriamanitra io no ilay nolazain’i Jaona Apostoly hoe: « Andriamanitra dia fitiavana » (1 Jaona 4.8), satria nino izy , dia tsy nahagaga ny fifankatiavana teo amin’izy mianaka ka na dia zon-dRota aza ny hody any aminy dia nisafidy hanaraka an-drafozany izy .
2-Hevero izay mahasoa ny hafa fa loharanom-pitahiana izany (Rota 3.1)
Raha mijery ny tantara isika dia mahita fa nifampitsinjo izy mianaka , izany no mahatonga an’iNaomy hiteny hoe : » tsy hitady izay tokantrano hahitanao fiadanana va aho anaka mba hahasoa anao ? », tsy tia tena na nihevitra ny azy ihany izy. Izany koa no nanoroany hevitra an’i Rota . Vokatry ny finoana an’Andriamanitra , niteraka fifaankatiavana dia manjary loharanom-pitahiana, tsy ho an’ny Jiosy ihany aza i Rota , fa ho an’izao tontolo izao mihitsy , satria nanjary « renibe »nipoiran’iJesoa . Taomina koa isika , mba tsy hahay hihevitra izay mahasoa ny hafa , fa tsy izay ho antsika irery ihany .Didin’i Jesoa rahateo izany mba hifankatiavana tahaka ny nitiavany antsika izany (Jao 13.34).Finoana miteraka fitiavana sy mitondra fitahiana no tsikaritra eto ary ao amin’Andriamanitra , ao tsy misy rafozan-doza sy vinanto tsy vanona .
Fanontaniana:
Inona ary izany no tokony atao eo am-piandrasana ny Tompo?
Sampana Sekly Alahady FOIBE FJKM