MARKA 4.35-41

Ny Tenin’olombelona manome fandresena ny zava-manjo fa ny Tenin’ny Tompo kosa mandresy azy (and38b) » Mpampianatra o, tsy mampaninona anao va izao hahafatesanay toy izao ? »
Hitantsika eto fa olona ao anatin’ny fahaverezan-toky no miteny toy izany .Efa misaina ny ho faty izy ireo fa ny ataon’ny Tompo sisa no andrasany . Efa feno ny fepetra izay hainy momba ny ranomasina ka tokony hahalefika azy . Tsy tokony hohadinoina mantsy fa mahafehy tsara ny ranomasina izy ireo .Milavo lefona izy eto fa tsy misy hevitra intsony . Indro anefa fa mbola ao ny Tenin’i Jesoa izay mandresy ny zava-manjo .Hoy mantsy i Jesoa : »mangina,mitsahara, ary dia nitsahatra ny rivotra « .Raha nibitaka ny loza sy ny manjo raha naharesy azy ireo very toky , ny Tenin’i Jesoa kosa nandresy izany . Manana fahefana ny Tenin’Andriamanitra , satria ny olombelona rehefa tapi-dàlan-kaleha toy izao dia efa nihoatra ny zavatra hainy izay , kanefa efa eo amin’ny tsy hain’olombelona intsony vao miseho ny herin’Andriamanitra ao amin’ny teniny izay tsy hay tohaina .Hoy i Jesoa : « izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra « .Amin’izao fotoana izao dia mety efa tapi-dàlan-kaleha ianao ka indro fa very toky sy fanantenana ? Olombelona ihany ianao ka misaina izany fa ny Tenin’Andriamanitra kosa mbola afaka mitaona anao handresy satria misy fahefana ny Teniny .
Fanontaniana :
Mbola mino ihany ve ianao fa mbola afaka ny ho tsara noho izao ny fiainanao na dia tena zava-doza aza ny hamafiny ankehitriny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM