Salamo 40.1-10
Aoka ho olona miavaka ianao
1. Ka Jehovah no ho tokinao:
Ny and.1 dia misy ny teny hoe niandry dia niandry an’i Jehovah. Izay milaza fa Jehovah no hany toky andrasan’i Davida. Ary noho izany fahatokiny Azy izany dia nisitraka zavatra maro izy. Nanomboka nitodika nijery azy Andriamanitra ka nandray an-tanana ny aminy; navotany tao amin’ny fandringanana dia natsangany ho mafy orina ary avy eo tonga vavolombelon’ny fitahian’ Andriamanitra ka nahatonga ny manodidina azy hatahotra sy hitoky ihany koa amin’i Jehovah. Ny zanako sy ny asan’ny tanako hoy Izy dia adidiko ihany. Ary izay miantso sy mitady Azy marina amin’ny fo dia tsy ho very toky araka izay nataony tamin’i Davida. Vakio anie ny Malakia 3.18 e!
2. Ka izay sitrak’i Jehovah no ataovy:
Davida dia sahy nanambara izany tamin’Andriamanitra (and.8). Zavatra tokony himasoan’ny mino ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra satria izay no antom-pahavelomana sy fisiantsika. Eny na i Jesoa aza dia nanambara izany. Rahalahiny sy anabaviny ary reniny izay manao izany (Mat 12.50) ary ny hanatanteraka izany no antony nidinany tety an-tany (Jao 6.38). ary izay lehibe indrindra ka tokony halaintsika tahaka dia izay nataon’i Jesoa ka nankatoavany izany hatramin’ny fahafatesana (vakio Heb 10.9- 16)
Fanontaniana:
Inona ireo toetra hiazakazahan’ny mpino ankehitriny heveriny ho toetra miavaka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe