1 Tantara 16. 4 – 14
Ataovy tsara ny fankalazana an’Andriamanitra
Nifaly ny zanak’Israely satria tonga tao Jerosalema ny fiaran’ny faneken’i Jehovah. Mahatsiaro sy mahatsapa ireto yahoaka fa manatrika ny fiainany Andriamanitra. Fankalazana an’ Andriamanitra no nameno ny fony.
1-Ataovy tsara ny fandaminana
Mba hahalavorary ny fanompoam-pivavahana ho fankalazana an’Andriamanitra dia nanao fandaminana i Davida mpanjaka. Notendreny ireo tomponandraikitra samihafa : ny mpitarika. ny mpandrindra ireo mpitendry valiha sy lokanga, ny mpampaneno kipantsona sy ny mpitsoka trompetra. Tomponandraikitra amin’ny fitarihana ny fiderana an’Andriamanitra ny mpitendry zava-maneno. Ataovy tsara ny fandaminana, ny fiomanana mba hiseho hatrany ny voninahitr’Andriamanitra.
2- Ampahafantaro ny asan’Andriamanitra.
Ny fankalazana an’ Andriamanitra dia fanehoana, fampahafantarina amin’ny olona hafa ny asany teo amin’ ny fiainana. Nahatsiaro ny asan’ Andriamanitra tokoa ny Zanak’ Israely, ka nidera Azy, nilaza ny asa mahagaga nataony teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fankalazana an’Andriamanitra araka izany dia sady famelomana finoana ahafahana mitoetra mandrakariva eo amin’Andriamanitra no fitaomana ny hafa ho an’Andriamanitra. Ny olona mino fa Mpamonjy Azy i Jesoa Kristy dia manokana fotoana mandrakariva ho fankalazana Azy sy fijoroana vavolombelon’ny asa notanterahiny teo amin’ny fiainana.
Fanontaniana:
Fomba ahoana no entinao milaza ny asan’Andriamanitra teo amin ‘ny fiainanao amin ‘ny olona manodidina anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM