EZEKIELA 36.22-30

Manarina ny vahoakany Andriamanitra

1-Mba hanamasinana ny anarany

Ny bokin’i Ezekiela no hahafahantsika mamantatra ny fiainan’ireo Jiosy lasan-ko babo tany Babylona .Ny faharesen’Israely sy ny nahafdahan’ny firenena hafa nanaisotra azy ireo tamin’ny taniny dia noheverina ho faharesen’i Jehovah mihitsy .Misy aza ireo nihevitra fa tafajanona any Palestina Jehovah , ka tsy mahita izay manjo azy ireo . Nohamavoin’ny firenena namabo azy ny Anaran’i Jehovah sady nolotoin’ny olona tamin’ny fanompoan-tsampy ny Tempoly . Ny tsy fahaizantsika manome voninahitra an’Andriamanitra dia mahatonga ny olona hanao tsinotsinona Azy .Amin’izany dia sady hoesoesoin’ny olona isika no hamavoin’ny olona ny Anarany masina .Saropiaro amin’ny fahamasinany Andriamanitra .Tsy tiany ho voaloto ny Anarany ka miditra an-tsehatra Izy .

2-Mba hahatonga ny firenen-drehetra hahalala Azy

Mamerina ny vahoaka ho any amin’ny taniny indray Andriamanitra .Eto dia tsy miankina velively amin’izay natao’Israely ny famonjen’Andriamanitra fa asany samirery .Tiany haseho eo imason’ny Jentilisa fa masina ny Anarany (and23) , manangona ny olony Izy ka mamerina azy ho any amin’ny taniny , manavao ny fanekeny indray Izy sady manavao ny olony (and26) ,mitondra fitahiana sy fahavokarana Izy (and 29,30). Ny fanavotana antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia tokony hahatonga ny firenena rehetra hahalala ny Anaran’Andriamanitra sy ny heriny ary ny fahamasinany .

Fanontaniana :

Hita taratra amin’ny fiainan’ny fiangonana ve ny fahamasinan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM