(Sal 23 / FF 3,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 623)

Manana an’i Jehovah ho mpitarika sy mpiaro azy ny miaramilan’ny Isiraely. Ny adin’ny Isiraely dia adin’Andriamanitra: ny andriamanitry ny Filistina miady amin’i Jehovah. I Jehovah irery no Andriamanitra, izay mpitarika sy Mpiandry an’i Davida sy ny Isiraely (Sal 23). Ny adin’ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy ady amin’ny nofo aman-drà fotsiny fa amin’ny fanahy ratsy, miseho amin’i Goliata. Tandremo sao diso ady sy fiadiana isika Kristiana ankehitriny (Efes 6.12). Jehovah no eo alohantsika amin’ny ady amin’ny ratsy rehetra. Mahereza !

Tsy nieritreritra izay tombontsoa telo goavana (and 25) homena izay mandresy an’i Goliata i Davida fa ny fiantsoan’ny Tompo no tao aminy. Hoy izy milaza an’i Goliata: « Filistina tsy mifora ». Tahaka ny namonjeny ny ondry teny am-bavan’ny liona sy ny bera no fanafahany ny Isiraely amin’ny fahavalo. Atsangan’Andriamanitra i Davida ho mpanavotra ny Isiraely, ondry sady vahoakan’Andriamanitra mantsy izy ireo (and 37). 3. Jehovah momba an’i Davida (and 37)

Jehovah no namonjy an’i Davida tamin’ny liona sy ny bera (and 37), dia Izy koa no hamonjy ny Isiraely vahoakany. Manambara ny finoana an’i Jehovah i Davida: « Izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io». Mpamonjy i Jehovah sady Mpanafaka ny vahoaka’Andriamanitra. Mandresy lahatra ny mpanjaka ny finoana sy fahatokiana ny Tompo tao amin’i Davida. Dia nitsodrano azy i Saoly: « homba anao anie Jehovah ». Miandany amin’ny mpanompony ny Tompo.

Mbola afaka manangana Kristiana vonon-kanavotra ny Malagasy ve Andriamanitra. Ahoana ny hevitrareo?