(Sal 29.1.2 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 489.1,3)
1 Tesaloniana 4. 1-8
Ny olom-boaantso ao amin’i Kristy:
1- Mahalala ny sitrapon’ Andriamanitra
«… mba ho araka ny nandraisanareo taminay …» (and. 1)
Fony tany Tesalonika i Paoly Apostoly, dia nampianantra ny Fiangonana ny sitrapon’ Andriamanitra. noraisin’izy ireo tsara izany. Ary araka ny maha Apostolin’i Kristy azy no nampianaran’i Paoly izany. Ary izany no nampahatsiahivan’i Paoly teto. Araka izany. ampianarina ny olona aloha ny sitrapon’Andriamanitra; ary raha sendra manadino izany izy, dia ampahatsiahivina indray fa efa nisy fampianarana nomena azy. Ny olona efa nandre ny sitrapon Andriamanitra no ampahatsiahivina izany indray; mba hifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy tokoa ny fahalalana voarain’ny olona.
2- Miaina ny sitrapon’ Andriamanitra
« mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany» (and. 6)
Tamin’ny andron’i Paoly, ny mponina tao Tesalonika dia tsy nahalala an’ Andriamanitra, maro no nilona tao anatin’ny fanompoan-tsampy. Tamin’izany fanompoan-tsampy izany no nisian’ireo firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Nananatra ny Kristiana tsy hanao izany ny Apostoly. Anarina ny mpino kristiana mba hiala amin’ny toetra tahaka izany, fa hanana kosa fahamasinam-pitondrantena co anatrehan’ny Tompo; tsy hobaikon’ny filana fa hahay mifehy ny tenany. Fa ny fahafehezan-tena amin’ny fanaovan-dratsy dia toetran’ny olona manana toetra manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Fanontaniana :
Ahoana no fomba ahafahana miaina ny fahamasinana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe