LIOKA 21.12-19

Tian’ny Tompo handresy isika ka :

1-Ampiomaniny mialoha

Mampiomana antsika izay hitranga amin’izao vanim-potoana farany izao ny Tompo . Hisy fisamborana, sy fampidirana am-ponja , fampijaliana noho ny Anaran’ny Tompo , hisy havana akaiky hanolotra sy hamadika , hisy fankahalana .Izay tsara fiomanana ,hoy ny fitenenana tsy tampohan’ny loza.Tia antsika ny Tompo ka mampahafantatra antsika mialoha izay hitranga .

2-Tolorany saina

Tsy mionona amin’ny fampiomanana mialoha ihany ny Tompontsika fa manolo-tsaina ihany koa Izy . « Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo , fa Izaho hanome anareo vava sy saina izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena  » (and 14-15).Omen’ny Tompo antsika ny Fanahy Masina ,Ilay mpanolo-tsaina , mpisolo vava sy saina entina miatrika sy mandresy ny fahavalo.

3-Omeny toky

« nefa tsy hisy ho very na dia singambolo iray eo lohanareo aza » (and18).Ireo fiasan’ny Tompo tamin’ireo mpanompony natoky Azy hatrami’izay dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay . Ny fandresena ny lafaoro mahamay , ny liona noana , ireo karazana Goliata izay miseho amin’ny endrika hafa indray dia azo resena tsara .

4-Omeny paikady mazava tsara

« Amin’ny faharetanareo no hahatananreo ny ainareo »(and18) .Efa nambaran’i Jesoa fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena (Mar 13.13)

Fanontaniana :

Inona no azonao ambara momba ny fitiavan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM