KOLOSIANA 3.1-11
Ny olona miaina miaraka amin’i Kristy

1-Mikatsaka ny fiainana ao amin’Andriamanitra
« Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony , any amin’izay itoeran’i Kristy « (and1)
Nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy .Tsy fandresena ho Azy irery izany fa an’ny mpanara-dia Azy ihany koa .Afaka miaina izany fiainam-pandresena izany isika rehefa mino fa ny fiainantsika ankehitriny sy ny ho avy dia ao amin’i Kristy .Hiara-miaina amin’i Kristy ao amin’ny fanjakany isika. Noho izany , meteza hotarihan’ny Fanahy Masina mba hahafahantsika mikatsaka , misaina , mihevitra izany mandrakariva mba tsy ho voafatotry ny zavatry ny tany.
2-Mandà ny fanaon’izao tontolo izao

« Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany … » (and5). Ny fiainam-pandresena noraisin’ny mpino tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia mitaona azy hiambina sy hitandrina mba tsy ho latsaka amin’ny fatoran’ilay ratsy indray. Tsy maintsy mandà ny fitondrantena rehetra mitarika fisarahana amin’Andriamanitra .Ny fitondrantena izay manome anjara toerana ny nofo , mifanohitra amin’ny fahamasinan’Andriamanitra .Mitaky toe-panahy vaovao ny fiainana miaraka amin’i Kristy . Ny mpino manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia afaka manohitra , mandà ny fanaon’izao tontolo izao . Mangataha ny fitarihan’ny Fanahy Masina mandrakariva mba ho mendrika ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy ianao .
Fanontaniana :
Toe-panahy manao ahoana no takiana amin’izay olona manantena ny fiainana ao amin’i Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM