OHABOLANA 22.17-21

Izay miandry ny Tompo

1-Manana toe-panahy mihaino ny Teny

Maro ny teny re ankehitriny izay manodoka ny fon’ny zanak’olombelona .Ny maro amin’ireny no teny mamono sy mandratra ary mitarika ny olona ho amin’ny fahendren’olombelona. Fa Andriamanitra kosa anio dia mitaona antsika hihaino ny teniny .Manongila-tsofina , izay midika hoe: :manome lanja ny fihainoana. Ambarany eto fa ny teniny dia tenin’ny hendry . Fa ao Ilay teny tonga nofo dia Jesoa Kristy izay tokony horaisintsika satria mitondra fiainam-baovao ho antsika » …izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay … » (Jao 5.24).Inona indray àry no mbola andrasana ?

2-Manana toe-panahy mitahiry ny teny

and 18  » ho fahafinaretanareo ny fitehirizana izany ao am-po », hoy ny voalaza eto .Tonga loharanom-pifaliana sy fahasoavana ny Tenin’Andriamanitra tehirizina am-po .Ary manamafy izany ny voalaza hoe : « Fa aina ho an’ny mahazo azy izy , ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra » (Oha 4.22) .Izany teny ao am-po izany no mibaiko sy hita taratra amin’izay ambara eo amin’ny molotra.Hoy i Jesoa :  » Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo , ka izany no mahaloto ny olona «  (Mat 15.18) . Rehefa miandry ny Tompo dia tokony hanana toe-panahy mihaino sy mitahiry ny teniny .

Fanontaniana:

Inona no olana tsy hahafahan’ny olona mitahiry ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM