1 KORINTIANA 1.1-9

Azontsika tsoahana aminizao fitarihanteny sy fiarahabana ataon’i Paoly izao fa ny fiangonana dia :

1-An’Andriamanitra (and2)

« Fiangonan’Andriamanitra any Korinto » , hoy ny Apostoly raha nanoratra ho azy ireo. Miharihary ary mihasikasina mihitsy amin’izany fa Andriamanitra ihany no Tompon’ny fiangonana ary tsy misy olombelona tokony hihambo ho tompony na manana fahefana aminy na iza izy na iza ny hoe: Fiangonana rahateo dia tsy vata-trano akory (izany no mahatonga ny olona sasany hirehareha hoe : fiangonan-drazanay io) fa ny fiombonan’ny mino . I Jesoa no lohan’ny Fiangonana ary mpanaraka avokoa ny sisa rehetra . Taomina àry isika anio hahatsiaro fa fahadisoana ny fiheveran-tena ho tompon’ny fiangonana .Ny antsika FJKM eto Madagasikara dia mazava rahateo fa « Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ».

2-Manakarem-pahasoavana (and4)

« Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesoa » . Aorian’io i Paoly dia mitanisa ireo harem-pahasoavana nomena ny fiangonana (and5), izany hoe : tsy misy fiangonana tokony hilaza fa sahirana na marefo satria samy nomena herem-pahasoavana avokoa fa anjaran’ny fiangonana ny mitrandraka ireny mba handrosoany . Azo ambara koa aza fa amin’ny toerana misy fiangonana dia feno fahasoavana . Andao àry isika fiangonana hampiasa izany ka tsy hikatona ao anaty rindrina efatra fa hamoaka izany ho zary fahasoavana ho an’ny firenena manontolo mihitsy .

Fanontaniana:

Inona àry izany no tokony hataon’ny fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM